Sampandraharaham-paritra momba ny varotra (SRC)

Tsy nahitana vary simba tany amin’ireo fitehirizan’entana any Tolagnaro.Afaka ny ahiahy ho an’ny mponin’Anosy. Tsara avokoa sy tsy nahitana fahasimbana ireo vary tany amin’ireo fitehirizan’entana ilaina andavanandro (PPN) nanaovan’ny ekipan’ny SRC fanaraha-maso ny 11 Janoary 2024. Toerana 4 ireo nanaovana fitsirihana ireo dia ny Magasin Ranomandry, Cascadeur, SK Distribution ary ny Magasin Lovasoa.
Momba ny vidin’ny vary indray dia manodidina 150 000 Ar – 170 000 Ar ny gony arakaraka ny kalitao sy ny toerana niavian’ireo vary nafarana:
Vary Pakistan: 155 000 Ar
Vary Inde: 170 000ar
Vary gasy : 900 Ar-1000 Ar/kp
Misy isafidianan’ny mpanjifa araka izany ny vary misy eny an-tsena ary tsy misy atahorana ny famatsiana.
Sary SRC

Vous aimerez aussi...