Fidinana tany amin’ny faritra Betsiboka – Boeny

Vaovaon’ny faritra : Betsiboka sy Boeny Mitohy any amin’ny faritra Betsiboka sy faritra Boeny ny hetsika Tsinjo tarihin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana. Niantso fivoriana niaraka tamin’ny mpanafatra entana avy any ivelany sy ny mpivarotra ambongadiny any an-toerana ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Talem-paritry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana tamin’ny 7 Febroary lasa teo. Nantitranterin’Atoa Tale Jeneraly ny maha-zava-dehibe ny fanajana tanteraka ny fizotran’ny fitsinjarana ny entana, ny fanarahana akaiky ireo asa ara-barotra ary ny fisian’ny fifaninanana madio ho fiarovana ny mpanjifa. Ny tanjon’ny fihaonana moa dia ny hitazonana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpandraharaha ara-barotra sy ny Foibem-pitondrana misahana ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana any amin’ny faritra ho fanaraha-maso ny fomba fiasa ara-barotra hita eny an-toerana ary koa hisorohana ny elanelana eo amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny varotra anatiny. Araka ny nambaran’ireo mpandraharaha eny an-toerana moa dia mitohy hatrany ny famatsiana ireo filan’ny mponina noho izany tsy hatahorana ho lany ireo tahiry.

Vous aimerez aussi...