Seha-pihariana KAKAO: TDR ho an’ireo izay maniry ho Tonia mpanatanteraky ny Filankevi-pirenen’ny kakao (CNC)

Andrasana hatramin’ny 14 Jona 2024 ny atontan-taratasin’ireo izay maniry ho Tonia mpanatanteraky ny CNC (Filankevi-pirenen’ny kakao).
Anatin’ny fitadiavana izay ho Tonia mpanatanteraka ny Filankevi-pirenen’ny kakao (CNC) amin’izao fotoana izao. Afaka mametraka ny atontan-taratasy ao amin’ny Biraon’ny CNC Ambanja sy mandefa izany amin’ny adiresy recrutementsecnc@gmail.com (dika mitovy amin’ny adiresy conseil@conseilnationalcacao.mg) ireo izay liana amin’izany. Amin’ny Zoma 14 Jona 2024 no fara-fandraisana ny fanehoana fahalianana.
Hiasa any amin’ny foiben-toerana any Ambanja ny Tonia mpanatanteraky ny Filankevi-pirenen’ny kakao. Amin’ny fanatanterahana ny asany dia mamaita iraha eto Antananarivo, any amin’ny faritra hafa na any ivelany izy.
Ny Filankevi-pitantanan’ny CNC no manao ny tombam-pahombiazan’ny Tonia mpanatanteraka.

Vous aimerez aussi...