Seha-pihariana lavanila: nisokatra ny taom-piotazana 2023-2024 any amin’ny faritra DIANA, Sofia sy Anosy

Efa nivoaka ny Didim-pitondrana iraisan’ny minisitera laharana 17910/2023 mamaritra ny fotoam-piotazana sy fivarotana lavanila maitso any amin’ny faritra telo mpamokatra lavanila. Ho an’ny faritra DIANA dia nisokatra ny 25 Mey 2023 lasa teo izany raha ny 27 Mey 2023 ho an’ny faritra Sofia. Ny 17 Jona 2023 kosa no hanomboka ny fotoam-piotazana ho an’ny faritra Anosy.

Vous aimerez aussi...