Seha-pihariana lavanila: Tafatsangana ny CRV Fitovinany

Tao anatin’ny atrikasam-paritra mikasika ny seha-pihariana lavanila tany Manakara, Faritra Fitovinany no nanatanterahana ny fivoriamben’ny CRV (Filankevi-paritry ny lavanila), ny Zoma 24 Marsa 2023. Tafatsangana tamin’izany ny biraon’ny CRV Fitovinany ka voafidy ho filoha Randriamilamina Aimé Samuel avy amin’ny kolejin’ny mpamokatra lavanila. Misy filoha lefitra iray isaky ny distrika (Manakara sy Vohipeno ary Ikongo), mpitam-bola iray, mpanara-maso ny vola roa, sekretera 1 ary mpanolotsaina 8 ny birao.

Tonga nanotrona ny atrikasa ny Solombavambahoaka voafidy tao Vohipeno, ny Ben’ny tanànan’i Manakara, ny solotenan’ny Governora sy ireo tompon’andraikitra maro voakasik’ity seha-pihariana ity. Nanohana ara-bola ny atrikasa ny USAID tamin’ny alalan’ny AVSF FIOVANA.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...