Sehatry ny lavanila: apetraka hanatanteraka ireo fepetra fanarenana sy fanalalahana nambaran’ny Filoham-pirenana ny Komitin’ny lavanila eto Madagasikara (CVM)

Noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra omaly Alarobia 3 Mey 2022 ny didim-panjakana manangana ny CVM. Ity rafitra ity no handray sy handinika ireo fangatahana fahazoan-dalana hanondrana lavanila. Izay fangatahana nahazo fankatoavana mialoha avy amin’ny Komity no homen’ny Minisitera misahana ny Varotra (MICC) fahazoan-dalana (certificats d’agrément).

Ahitana solontena avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny Minisitera misahana ny Fitantanam-bola, ny Minisitera misahana ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitera misahana ny Varotra, ny Filankevi-pirenen’ny lavanila (CNV) ary ny Filankevi-paritry ny lavanila (CRV) ny Komitin’ny lavanila eto Madagasikara. Didim-panjakana raisin’ny Filohan’ny Repoblika no anendrena ireo mpikambana rehefa vita ny fifidianana na fanolorana avy amin’ireo sehatra soloina tena.

Sary fanehoana

Vous aimerez aussi...