Taninketsa indostrialy

Mamokatra paty 32 000 fonosana isan’andro ny orinasa NETA Madagascar ao Arivonimamo.

Raha indostria iray isaky ny distrika no voalaza dia milina roa fanodinam-bokatry ny tantsaha no efa azon’ny distrikan’Arivonimamo. Notokanan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) androany Zoma 03 Mey 2024 tany an-toerana ny Orinasa famokarana paty anatin’ilay Tetik’asa ODOF (One District One Factory).
Mahavita mamokatra paty 4 taonina isan’andro, izany hoe 540 baoritra na 32000 fonosana, ity Taninketsa Indostrialy tantanan’ny mpandraharaha malagasy NETA (Notre Entreprise de Transformation Alimentaire) Madagascar ity. Akora fototra ampiasain’ny orinasa ny lafarinina vita amin’ny vary vokatra eto an-toerana. Ireo mpiompy akoho ao Arivonimamo sy ny manodidina ihany koa no mamatsy atody ny orinasa. Miara-miasa amin’ny Taninketsa Indostrialy Nobel Fleur mpamokatra menaka ao Analavory ny NETA Madagascar amin’ny filàna menaka hanamboarana ny paty.
“Raha ny toromariky ny Filoham-pirenena dia hoe mandeha any amin’ny kaominina mihitsy isika mametraka ny ODOF toy izao”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Nampahatsiahiviny fa misy karazany 18 ireo milina fanodinam-bokatra ahafahana mametraka Taniketsa Indostrialy 75 nafarana avy any ivelany. Ka ny fanodinana vary ho lasa paty ity notokanana tany Arivonimamo ity.
Raha latsaky ny 1500 Ar ny vidin’ny iray kilao amin’ny vary akotry dia mbola matiantoka ny tantsaha. “Amin’ity Tetik’asa ity dia tsy mampanantena intsony isika fa ny tantsaha mihitsy no hatanjaka. Izy no hampitombo ny vola miditra”, hoy ihany ny Minisitra. Nanafatrafatra ny mpandraharaha mpitantana ny ODOF ao Arivonimamo moa izy mba hijery akaiky ny vidim-bokatry ny tantsaha miara-miasa amin’ny orinasa.
Nanome toky ny mpitantana fa hifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa ny vidy hivarotany ny vokatra. “Tsy latsaky ny 1000 Ar ny vidin’ny paty amin’izao fotoana izao. 800 Ar ka hatramin’ny 900 Ar anefa no ivarotanay ny paty vokarin’ny NETA Madagascar”, hoy i Anjaramalala Miarantsoa.

Vous aimerez aussi...