Taninketsa indostrialy

Ho amainina ho tonga vokatra tsara kalitao sy ho afaka mifaninana eo amin’ny tsenam-barotra ny mahabinon’Ambilobe

20 000 taonina isan-taona ny vokatra mahabibo any Ambilobe sy ny manodidina. Tsy tongatonga ho azy arak’izany ny fanapahan-kevitra hametrahana ny Taninketsa Indostrialy fanamainana voankazo ho an’ity distrika ity.

Omaly Alarobia 25 Oktobra 2023 no natolotra tany an-toerana ny fitaovana momba izany. Tsy mahabibo ihany fa azo anamainana karazam-boankazo hafa koa ny milina.

Toy ireo Taninketsa Indostrialy rehetra efa napetraka dia hivoaka amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet) hifantenana izay mpandraharaha hitantana ny orinasa. Tsy maintsy hiara-hiasa amin’ny kaoperativan’ny tantsaha mpamboly voankazo izay hamatsy ny vokatra ho hamainina izy amin’izany.

Sary nomena

Vous aimerez aussi...