Taninketsa indostrialy any amin’ny faritra atsinanana: nandray ny milina fanamboarana gilasy fitehirizana sakafo ho azy ny distrikan’i Vatomandry raha fanamboarana chips avy amin’ny akondro sy vomanga kosa ho an’i Brickaville

Fanamboarana “glace alimentaire” na gilasy fitehirizana sakafo ny Taninketsa Indostrialy voalohany hapetraka ao Vatomandry noho ity distrika ity manana ranomasina sy ranomamy maro ary betsaka amin’ny mponina no mivelona amin’ny jono. Noraisina niaraka tamin’ny Filoham-pirenena ny fanapahan-kevitra ka androany Alakamisy 06 Jolay 2023 ny Minisitra Edgard Razafindravahy no tonga tany an-toerana nanatitra ny fitaovana. “Mahatratra 3 taonina isan’andro ny gilasy vitan’ity milina ity”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana tamin’ny mponin’i Vatomandry nahitana ny Ben’ny tanàna avy amin’ireo kaominina ao anatin’ny distrika, ny lehiben’ny fokontany, ny Raiamandreny ara-drazana, ireo mpanjono mivondrona anaty kaoperativa, ny mpandraharaha.

Nankasitrahan’i Vita Germain, filohan’ny Fikambanan’ny mpanjono, nisolo tena ny mpanjono any amin’ny distrikan’i Vatomandry ny fahazoana ity milina anatin’ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) ity. Tsy tonga loatra, hoy izy, ny mpanangom-bokatra teo aloha satria tsy ampy ny gilasy hitehirizana ny trondro. “Misaotra betsaka fa nesorin’Andriamatoa Minisitra ny fahasahirananay. Misaotra ny Filoham-pirenena angady nananana an’izao fitaovana izao”, hoy izy raha nandray fitenenana.

Nanamafy izany moa ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha niteny fa toromariky ny Filoham-pirenena ny hoe asa mipaka amin’ny vahoaka hatrany. Tsy mivaona amin’izany ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy ho fanatanterahana ny Velirano faha-7 dia ny Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. “160 000 taonina ny akondro vokatra ao amin’ny distrikan’i Brickaville izay matetika simba. Manana 40 000 taonina vomanga koa izy. Nomena milina koa izy androany mba tsy ho simba ny vokatra fa haodina ho lasa chips, hoy ihany ny Minisitra.

Vous aimerez aussi...