Taninketsa Indostrialy: hampivoatra ny seha-pihariana tantely any Farafangana ny nahazoany ozinina fanodinana tantely ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena 

“Tena ela no niandrasanay an’ity andro androany ity. Tonga ianao Andriamatoa Minisitra nirahin’ny Filoham-pirenena ka isaoranay. Hihatsara ny fiainana satria mahavelona ny fiompiana tantely, hitombo ny vola miditra aminay rehefa tohananareo toy izao », hoy ny mpiompy tantely Rabarijaona Jean Baptiste izay tsy nanaiky raha tsy niresaka mivantana tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy taorian’ny fanolorana ny fitaovana.

Tonga nanatitra ny ozinina fanodinana tantely tany Farafangana androany Zoma 5 Mey 2023 ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC).

Nambarany fa tanteraka eto Farafangana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ary fanombohana ihany izany. « Ny ahafahana mampandroso ny tanindrazantsika dia ny fanorenana ifotony. Io manoloana antsika io ny ozinina ety ifotony », hoy ny Minisitra tamin’ireo nandray ny fitaovana, indrindra fa ireo kaoperativa sy mpiompy tantely nanatrika teo.

Nampahatsiahivin’ny Minisitra teto fa toy ny tany amin’ny faritra hafa dia hatao ny Antso ho an’ny Tetikasa (Appel à projet) ifantenana ny mpandraharaha hitantana ny orinasa. Afaka iray vola eo ho eo dia ho avy ny tekinisiana hampandeha ny milina.

Nizaha ny kaoperativa Union Hery Mitambatra sy ny toeram-piompiana tantelin’ny fikambanana iray tao Lokandambo ny Minisitra Edgard Razafindravahy taorian’izay.

Faritra anisan’ny tena mpamokatra tantely tokoa ny Atsimo Atsinanana satria mahatratra inefatra ny fotoana isarihana tantely mandritry ny taona.

Tsy nitsaha-niakatra ny vokatra tantely tato anatin’ny telo taona farany ka nahatratra 15,17 taonina izany ny tamin’ny taon-dasa 2022.

Amin’ireo tranon-tantely miisa 1992 ao amin’ny Distrikan’i Farafangana dia ao Evato sy Vohilengo avokoa ny 1516.

Vous aimerez aussi...