Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉IHOROMBE: Famelabelaran-kevitra momba ny andraikitry ny CCI no nanohizana fandaharam-potoana ho fanomanana ny fifidianana ny Alatsinainy 19 Septambra 2022 lasa teo tao Ihosy.
Nohazavaina tamin’izany ireo fandaharan’asa sy ny tetiandrom-pifidianana. Nanatrika izany ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana sy ny mpandraharaha maro. Ho tanterahina amin’ny 08 Novambra 2022 ny fifidianana.
👉ATSIMO ATSINANANA: Nandray fanapahan-kevitra momba ny isan’ireo ho fidiana ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana omaly. Noferana ho 26 izy ireo izay mitsinjara toy izao : 14 ny avy amin’ny sehatry ny varotra; 11 ny avy amin’ny servisy ary 01 ny avy amin’ny Indostria. Nivoaka androany koa ny lisitra vonjimaika misy ny mpifidy.
👉BONGOLAVA: Niroso tamin’ny fanaovana peta-drindrina ny lisi-pifidianana vonjimaikan’ireo mpifidy ny any Tsiroanomandidy nanomboka omaly araka ny tetiandrom-pifidianana. Nialohavan’ny fivoriana isa-kerinandro fanaon’ny Komity manokana sy ny Komity teknika mpikarakara fifidianana izany.

Vous aimerez aussi...