Vaovaon’ny faritra Matsiatra ambony: Manomboka ofisialy amin’izao ora izao ny famarotana ny Vary Tsinjo ao amin’ny Distrikan’Ambalavao
Tsy nahasakana ny famatsiana ny làlana tapaka. Niasa andro aman’alina ny ekipan’ny DRICC Matsiatra Ambony sy ny ekipan’ny orinasa SPM amin’ny fanaraha-maso ny famindrana sy fitaterana ireo Vary Tsinjo ho ao anaty fiara Sprinter 11 hamonjena ny mpiara-belona. Natomboka amin’ny fomba ofisialy amin’izao ora izao ny famarotana ny Vary Tsinjo ao amin’ny Distrikan’Ambalavao amin’ny vidiny 600ariary isaky ky kapoaka ary 2100ariary ny kilao. Manara-maso ny fampiharana izany vidiny izany ny ao amin’ny DRICC, miaraka amin’ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana ary ny Tale Jeneralin’ny orinasa SPM.
Miara-misalahy amin’ny iraka avy amin’ny Fiadidina ny Repoblika ihany koa ny ao amin’ny DRICC Matsiatra Ambony amin’ny fandefasana ireo Vatsy Tsinjo ao amin’ny Distrikan’Ambalavao.
Sary DRICC Matsiatra Ambony