Fahafatesana ankizy tany Maintirano

Nandray ny fepetra rehetra ho fiarovana ny mpanjifa amin’ny entana lany daty ny DRICC
Avy hatrany dia natao ny fisavana ny entana lany daty tany amin’ny kaominina andrenivohitra Maintirano. Nentina koa ny fanentanana tamin’ny onjam-peo niantsoana ny mponina mba hampandre ny tompon’andraikitry ny varotra (DRICC) ahafahana manimbana ny entana lany daty raha sendra misy izany. Tsy azo atao ny manary azy ireny na dia amin’ny toerana fanariam-pako aza.
Natao koa ny fivoriana niarahana tamin’ny DREN sy ny CISCO sy ireo Talen-tsekoly rehetra ao Maintirano. Nentanina izy ireo hanara-maso ny fanajana fahadiovana eny amin’ireny mpivarotra sakafo masaka toy ny paty na mofo eny an-tokotanin-tsekoly ireny mba hitandrovana ny fahasalaman’ny mpianatra.
Raha tsiahivina dia nisy tranga fahafatesan’ankizy tany Maintirano ny herinandro lasa iny. Nahiana ho ny fihinanana bisky sy fromazy lany daty no nahatonga izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...