Taninketsa indostrialy: hihatsara ny fiharian’ny tantsaha mpamokatra soja sy voanjo any Anjozorobe

Haodina ho lasa menaka ny soja sy voanjo vokatra any amin’ny distrikan’Anjozorobe. Ozinina mahatoto akora fototra 1200 kg isan’ora, izany hoe 10 taonina isan’andro eo ho eo, no naterin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tany an-toerana tamin’ity Sabotsy 29 Jolay 2023 ity.
Voanjo 3kg na soja 5kg no hahazoana menaka 1 litatra amin’ity fitaovana ity.
« Tsy adino tokoa ny distrikan’Anjozorobe araka ny tenin’ny Filoham-pirenena. Ampitao any aminy ny fisaorana Andriamatoa Minisitra », hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Anjozorobe, Odon Mbelo Ndriamamonjy tamin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.
Notsindrian’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa toromariky ny Filoham-pirenena ny hijerena ny fiveloman’ny olona eny ifotony.

Vous aimerez aussi...