Tsena iraisam-pirenena:Mifandresy lahatra amin’ireo mpandraharaha mpandray ny lavanila malagasy ny CNV

Amin’ity vaninandron’ny Alatsinainy 4 Jolay 2022 ity no tanterahina ao amin’ny trano fiasan’ny Masoivohon’i Madagasikara any Parisy ny fihaonana amin’ireo mpividy sy mpanafatra ary indostrialy mpanjifa ny lavanila malagasy avy any Eoropa sy Etazonia ary faritra samihafa maneran-tany. Any an-toerana mitarika ny delegasiona nihazo an’i Frantsa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy sady Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CNV (Filankevi-pirenena momba ny lavanila), sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Vola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Mandray anjara amin’ny fihaonana ireo solotenan’ny Filankevi-pitantanan’ny CNV.
Tafiditra anatin’ny laha-dinika ny fampiharana ny vidy farany ambany 75000Ar amarotan’ny mpamboly ny iray kilao amin’ny lavanila maitso. Toy izany koa ny vidy (FOB) farany ambany 250 Dôlara amerikana tokony andraisan’ny mpividy ny iray kilao amin’ny lavanila avy eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Fotoana koa ity androany ity hampahafantarana ny fandaminana vaovao ny sehatry ny lavanila eto amintsika.

Vous aimerez aussi...