Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza “FREDDY”: Misy ny tahiry ary miparitaka any amin’ireo kaominina ambanivohitra ny vary ho an’ny distrikan’i Nosy Varika

Misy ny vary, araka ny tatitry ny ekipan’ny DRICC Vatovavy Fitovinany raha vantany vao tonga tany Nosy Varika izy ireo. Hita koa fa maro ireo lakam-be mpitondra entana izay mitatitra vary haparitaka any amin’ireo kaominina ambanivohitry ny distrika ka tsy misy atahorana ny tahiry.

Amidy 700Ar ny iray kapoaka amin’ny vary nafarana ary 850Ar kosa ny vary gasy any an-toerana.

Any amin’ny faritra Ihorombe dia mbola ampy tsara koa ny tahirin’entam-barotra raha miohatra amin’ny filàn’ny mponina. Marin-toerana ny vidin’ny vary, menaka sy lafarina raha nisy fiakarany kely ny vidin’ny siramamy ny 23 Febroary 2023. 700Ar-750Ar/kapoaka ny vary nafarana any amin’ny distrikan’Ihosy. 650Ar-80Ar/kapoaka kosa ny vary gasy zanatany.

Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...