Tetikasa DEM: hahazo tohana ny fampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy sy tanora, ny kaoperativa ary ny varotra ivelany sy ny fametrahana sy fanapariahana ny ZLECAF.

Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny Tetikasa DEM (“Diversification de l’économie malagasy) ho fanohanana ny sehatra tsy miankina, ireo orinasa madinika sy salantsalany amin’ny fanamafisana ny traikefa sy fahaiza- manaon’izy ireo, fanamorana ny fiatrehana ny tsena, ny Sekretera jeneralin’ny MICC Onja Miandry Rakotondramanana androany Talata 4 Avrily 2023 nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny Komitin’ny Tetikasa DEM. Mitarika sy miara-mitantana ny fanatanterahana ny tetikasa moa ny avy eto amin’ny MICC.

Nodinihana sy nifanakalozana tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny fandrosoan’ny asa nanomboka ny 2022, ireo asa miandry ny 2023, ny fifandaminana momba ireo mpikambana anaty komity sy ekipa misahana ny tetikasa, ireo sakana tsy mampandroso ny asa, ary toromarika hanatsarana ny tetikasa. Nisaotra sy nankasitraka ny PNUD ihany koa ny Sekretera jeneraly amin’izao fiaraha-miasa izao ka mba hisy fiatraikany mivantana amin’ny vahoaka malagasy sy ny firenena izao tetikasa izao.

Sary nomena

Vous aimerez aussi...