Tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (PTASO)

Fotodrafitrasa maro no hotanterahana any Toliara amin’ity taona 2024 ity
Trano efatra fitehirizam-bokatra, lalana ambanivohitra mirefy 50km, fanarenana ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Indostria ary fananganana tsena roa ho an’ny vokatry ny fiompiana… Anisan’ireo fotodrafitrasa ho tontosaina ato anatin’ny herintaona any Atsimo Andrefana ireo ho fanatanterahana ny Tetikasa PTASO. Nolaniana koa ny Tetibola ho an’ny taona 2024 (PTBA 2024). Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny komity mpitantana ny Tetikasa natao tany Toliara ny Alakamisy 18 Janoary 2024.
Nampitaina tamin’ny Mpandrindra ny Tetikasa ihany koa ny toromarika avy amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny mba hametrahana lamina ao anatin’ny 100 andro hitadiavana mpanosika matihanina (développeur) ho an’ny PTASO ka tokony hanomboka amin’ity taona ity ihany ny asan’io “développeur” io.

Vous aimerez aussi...