Tetik’asa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra atsimo andrefana (PTASO)

ptaso_atsimo_andrefana
Miroso hatrany ny fanatanterahana ny tetik’asa PTASO izay vatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola ho fampiroboroboana ny indostria ara-pambolena miaraka amin’ny fotodrafitrasa takiana ho amin’izany.
Ny tetikasa PTASO dia mikendry ny fanalefahana ny fanafarana entana ara-pambolena voahodina, ny fanatsarana ny fiarovana ara-pahasalamana eo amin’ny sakafo eto Madagasikara ary koa ny fanatsarana ny fahaiza-manao eo amin’ireo mpamboly mpandraharaha. Tonga eo amin’ny dingana fametrahana ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny ivon-toerana natokana ho an’ny fandraharahana ara-pambolena (Guichet Unique Agricole) ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Tontosa omaly Talata 27 aogositra 2024 tetsy Ambohidahy ny fanaovan-tsonian’ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) sy ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) izay mpiara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana ny fametrahana ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (MIC) sy ny ivon-toerana natokana ho an’ny fandraharahana ara-pambolena (MINAE).
Andraikitry ny MIC hoy ny Sekretera Jeneraly, Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno, ny hijery ny fanodinana ireo vokatra ao an-toerana mba hampivoatra ny ara-toekarena ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ireo vokatra ifotony. Ny MINAE kosa hitondra fanohanana ara-teknika sy fanamorana ny fampitaovana ireo tantsaha mpamboly ary hanamafy ihany koa ny fahaiza-manao eo amin’ny famokarana ireo vokatra hampitomboana ny fisian’ny akora haodina, hoy kosa ny Sekretera Jeneralin’ny MINAE Raharinomena Fanja.
Ny fisian’ny PAI sy ny ivon-toerana natokana ho an’ny fandraharahana ara-pambolena dia dingana sy trangan-javatra iray miantso ireo mpampiasa vola hisehatra ao an-toerana. Ary indrindra manampy ireo tantsaha mpamboly ny fisian’ny tetikasa ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Vous aimerez aussi...