Tetik’asa fanaraha-maso ny kalitaon’ny sira

Nofanina ireo teknisiana mpanara-maso sy mpamokatra sira ao Mahajanga.

Tanjona ny fanomezana fahalalana ireo mpanara-maso isan-tsokajiny avy amin’ny Minisitera sy ireo mpamokatra sira mba ho sira azo antoka sy manaraka ny fenitra takian’ny lalàna manan-kery no sitrahan’ny mpanjifa. Izay indrindra no antony nampiofanana ireo teknisiana avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC), ny ONN ary ireo mpamokatra sira ao Mahajanga ny 24 ka hatramin’ny 27 Oktobra 2023.

Aorian’ny fanentanana sy fanomezana torohay ireo mpamokatra sira dia hanomboka ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny sira na eny amin’ny mpamokatra na eny amin’ny mpivarotra. Sira misy ioda sy fluor no tokony ho jifain’ny mpihinana.

Sary DPC

 

Vous aimerez aussi...