Bongolava:Nidina tampotampoka nisafo ny fivarotan-tsolika ny DRICC

Tsy azo ekena ny fanararaotana sy ny fampiakaram-bidy mihoapampana. Notongavan’ny mpanara-maso ireo fivarotan-tsolika any amin’ny kaominina ambanivohitra Miandrarivo any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ny Alarobia 13 Jolay 2022. Nampitandremina ireo mpivarotra tsy hihoa-pefy ka hiroso amin’ny fandraharahana tsy ara-dalàna. Nomena taratasy fampiantsoana izy ireo ahafahana midinika momba ny vidy tokony ho hajaina. Izany no natao dia mba hahafahan’ny tantsaha misitraka solika ho an’ny fitaovana eo am-pelatanany toy ny fitotoam-bary, Kubota, moto.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...