Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Ihorombe, Matsiatra Ambony sy Bongolava.

👉IHOROMBE: Nasondrotra 20% ny saran-dalana amin’ny zotra any amin’ny faritra sy ny manodidina. Niara-nivory nanapaka izany ireo solontenan’ny mpitatitra any amin’ny Faritra Ihorombe, ireo solontenam-panjakana sy talem-paritra voakasika ary ireo solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Noferana ho 700Ar kosa ny saran-dalan’ny “Kinga” sy “Bajaj” nandritra io fihaonana ny 13 Jolay 2022 io ihany.
👉MATSIATRA AMBONY: Nidina ifotony nijery ireo orinasa mpamokatra menaka ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa ny ekipan’ny DRICC ny 12 Jolay 2022. Notsongaina manokana ny kaoperattiva SOAMILA noho ny fananany olana ara-pitaovana. Voafetra dia voafetra ny vokatra vokariny noho izany. Hanao ezaka ahafahan’ny kaoperativa misitraka fitaovana amin’ny alalan’ny TANINKETSA INDOSTRIALY ny DRICC ho fanatanterahana ny #Velirano 7.
👉BONGOLAVA: Kaoperativa 4 no nampiofanin’ny DRICC ny Talata 12 Jolay 2022 tao amin’ny kaominina Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy. Samy manana ny seha-pamokarana mampiavaka azy moa ireo kaoperativa ireo. Ny kaoperativa MIRAY misahana ny famokarana fary raha mamokatra tongolo kosa ny kaoperativa VOARY; Ny TSINJO AINA mamokatra vary sy manao sompitra ary ny FIVOARANA misehatra amin’ny voanjo. Nifototra tamin’ny kolontsaim-pandraharahana, fiainana kaoperativa, hay varotra ny fampiofanana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...