Tetikasa Manohana ny Faritra Malalaka ara-barotry ny Kaontinanta Afrikana (PA-ZLECAF)

Hanao fanadihadiana momba ireo tombontsoa eo amin’ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (ZLECAF) ary hanohana ny fametrahana paikady nasionaly hanafainganana ny fanatanterahana ity fifanarahana ara-barotra ity ny Tetik’asa PA-ZLECAF.

Nampahafantarina androany Talata 27 Febroary 2024 tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny MEF Anosy ny Tetik’asa PA-ZLECAF. Miompana amin’ny fanohanana ny famolavolana paikady nasionaly hanafainganana ny fanatanterahana ny ZLECAF eto Madagasikara, ahafahan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy misitraka ireo tombontsoa ara-barotra rehetra eo amin’ity tsena iombonana lehibe indrindra erantany ity, ny Tetik’asa. Hisy ny fanadihadiana ho tanterahana momba izany tombontsoa izany ary koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ireo mpisehatra mpiara-miombona antoka voakasiky ny ZLECAF. Fitaovana iray hametrahan’ny firenena malagasy tondro zotra ilain’ny mpisehatra mahefa hanamorana ny fankatoavana tanteraka ny fifanarahana ZLECAF ny fisian’ity Tetik’asa ity.

«Efa nanao sonia ny fifanarahana isika eto Madagasikara, nefa mbola tsy nanao ny fankatoavan-dalàna. Maro ny ahiahy na teo amin’ny mpisehatra ara-toekarena na teo amin’ny mpandraharaha. Hanampy ny fahalalana ireo tombontsoa ara-barotra indrindra eo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fanondranana ary hanampy amin’ny fankatoavana tanteraka ny fifanarahana no antom-pisian’ny Tetik’asa PA-ZLECAF,» hoy ny Mpandrindra ny Tetik’asa, Heriniaina Ramananarivo.

Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) no rafi-panjakana hiandraikitra ity Tetik’asa PA-ZLECAF izay vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola ary hifarana amin’ny volana desambra taona 2025 ity.

Vous aimerez aussi...