Tsena iraisam-pirenena: Hisokatra amin’ny 15 Novambra 2022 izao ny taom-panondranana lavanila efa voaomana

Andro sisa isaina dia ho tonga eo amin’ny tsena iraisam-pirenena indray ny lavanila malagasy. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ny tolo-kevitry ny CNV (Filan-kevi-pirenen’ny Lavanila) amin’ny hisokafan’ny taom-panondranana lavanila efa voaomana ny 15 Novambra 2022 ka tsy hifarana izany raha tsy ny 31 May 2023. Izany hoe haharitra 6 volana sy tapany ny taom-panondranana 2022-2023.
Havoaka koa ny boky tari-dalana ampahafantarana ny dingana samihafa arahina amin’ny fanondranana lavanila efa voaomana.

Vous aimerez aussi...