Vaovao misongadina avy any amin’ny faritra Ihorombe sy Melaky

Velom-bolo ny tontolon’ny indostria sy ny varotra taorian’ny fifidianana teny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

?IHOROMBE: Fandaniana ny tetibola nasiana fanovana 2023 sy ny Tetibola nasiana tovana ho ampiasaina mandritra ny taona 2023, fanaovana tatitry ny asa vitan’ny CCI sy ny Tetikasa FIHARIANA nandritra ny taona 2022. Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny laha-diniky ny Fivoriam-be ara-potoanan’ny mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Faritra Ihorombe natao tao Ihosy ireo tamin’ny Zoma 28 Aprily 2023. Nanatrika izany ireo solontenan’ireo minisitera mpiahy ny CCI any amin’ny Faritra Ihorombe ( DRICC Ihorombe, Sampandraharaha ao amin’ny Fitantanam-bola, Sampandraharaham-paritry ny Tetibola, ny avy amin’ny Fanaraha-maso momba ny vola ) .

?MELAKY: Nisy ny fampahafantaran’ny DRICC Melaky ny lalàna mikasika ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Izany no natao dia noho ny fangatahan’ireo mpivarotra sy mpandraharaha mivondrona ao amin’ny fikambanana AMAMA izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fifidianana CCI farany teo. Nandritra ny fivorian’izy ireov no nanatanterahana izany. Notsindriana mafy nandritra izany ny tsy tokony hanararaotana amin’ny vidin’entana sy ny tsy tokony hisian’ny fifanarahana amin’ny famerana ny vidin’entana. Ilana ny fisian’ny faktiora nividianana sy nivarotana entana, fametahana ny vidin’entana… Afapo tamin’ny fanazavana ireo mpandraharaha.

SARY DRICC

Vous aimerez aussi...