Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro

andrebakely
Manomboka maka toerana ny famokarana lavanila any Alaotra Mangoro. Orinasa ODOF anisan’ny notsidihan’ny mpiara-miombon’antoka “Us Oke’s” voalohany ny Lycoper ao Ambalabako Ambatondrazaka.
?Nosokafana ny Alarobia 31 Jolay 2024 teo tao Andrebakely Avaratra, distrikan’Amparafaravola, ny taom-piotazana lavanila ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro. Vory maro ireo mpamboly sy ireo mpanangom-bokatra izay efa niandrandra fatratra an’izao fotoana izao. Nirosoana ihany koa ny dinika hijerena sahady izay mety ho fanatsarana ity seha-pihariana izay azo lazaina fa mbola vao manomboka mahazo laka any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ity. Anisan’ireo tonga tany Andrebakely tamin’izao lanonam-panokafana izao ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Alaotra Mangoro sy ny filohan’ny Filankevi-paritra momba ny lavanila (CRV) Alaotra Mangoro.
?Nitsidika ny Orinasa Lycõper izay nisitraka ny orinasa ODOF fanodinana voatabia eto Ambatondrazaka ny ekipan’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) sy ny « Us Oke’s » avy ao Afrika Atsimo izay mpiara-miombon’antoka amin’ny fikojakojana ny milina sy ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo orinasa ODOF. Anisan’ny soso-kevitra nomen’ny « Us Oke’s » tamin’izao fidinany tany Ambatondrazaka ny Alarobia 31 Jolay 2024 izao ny tokony hijerena sy hanarahana ireo fepetra takian’ny tsena any amin’ny firenena tiana ho trandrahana sy ny fahazahoana taratasy fanamarinana mifanaraka amin’izany. Vahaolana nomeny moa ny hanatonana ireo matihanina toa an’ny CTHT (Centre Technique Horticole de Toamasina) mba hanamorana ny fivarotana ireo vokatra voaodina any ivelany.

Vous aimerez aussi...