Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Itasy ary Bongolava

Manao izay haha-matihanina ny kaoperativan’ny tantsaha mpamokatra ireo Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC)

👉ALAOTRA MANGORO: Nofanina momba ny tontolon’ny fandraharahana, ny lalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa ary ny fomba fitantanana amin’ny ankapobeny ireo mpikambana 35 (14 lahy sy 21 vavy) avy amin’ny Orinasa kaoperativa KO.MI.KA (Kaoperativa Miray Ankadilovoka). Misehatra amin’ny fambolena voamaina toy ny tsaramaso, voanjo, katsaka ary kafe izy ireo. Tao Antsahalemaka, Kaominina Amparihintsokatra, Distrikan’Ambatondrazaka no nanatanterahana ny fampiofanana ny 02 sy 03 Oktobra 2024. Fiaraha-miasan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Alaotra Mangoro sy ny Tetikasa Madagasikara Voakajy.

👉ITASY: Toy ny efa fanaon’ny DRIC Itasy isam-bolana dia kaoperativa miisa 15 ary tantsaha mpamokatra 30 mianadahy indray no nisitraka fiofanana maimaimpoana tao amin’ny CAPAG CCI ny 02 Oktobra 2024 lasa teo. Naompana tamin’ny fahaizana mitantana izany. Nanentana mikasika ny fanodinam-bokatra sy ny fisian’ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) any amin’ny Faritra Itasy koa ny Talem-paritra. Nanazava mikasika ny famatsiana ara-bola hampiroboroboana ny seha-pihariana eny ifotony ny Talen’ny FDA. Nandray anjara koa ny ekipan’ny DRETFP mikasika ny fiofanana azony atolotra ho an’ireo kaoperativa.

👉BONGOLAVA: Vita ny 04 Oktobra 2024 ny fifanekena teo amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Bongolava sy ny VOMBO/FIFATA izay rafitra ahitana vondron’olona sy fikambanana misy tantsaha miisa 1256. Hifanome tanana hampiroboroboana ny kaoperativa ny roa tonta. Hitondra ny traikefany amin’ny fananganana kaoperativa ho an’ireo mpikambana voalaza etsy ambony ireo sy hampiofana momba ny kolontsaim-pandraharahana, fitantanana, Hay Varotra, fanabeazana ara-bola ny DRIC. Ny VOMBO/FIFATA kosa hanentana ny tantsaha ho amin’ny fananganana kaoperativa iombonana isaky ny seham-pihariana ary hanolotra izay fampitaovana ilaina amin’izany sy ny fampiofanana.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...