Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Boeny

vaovao-misongadina
?AMORON’I MANIA: Kaoperativa 7 any amin’ny kaominina Soatanàna ao anatin’ny distrikan’i Manandriana no nomen’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) fanofanana omaly Zoma 02 Aogositra 2024. Nampitaina tamin’ireto kaoperativa misehatra amin’ny fikirakirana akora landy sy fanenomana lamba landy ireto ny fiovana nisy araka ny Lalàna vaovao mifehy ny Orinasa koperativa, ny fomba fiainana ao anaty kaoperativa, ny fomba fitantanana ny volan’ny kaoperativa, ny mikasika ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra (PICM).
Mampalaza ny faritra amin’ny famokarana lamba landy izay anisan’ny vokatra mampiavaka an’Amoron’i Mania ny kaominina Soatanàna. Fanirian’izy ireo ny hanampiana azy ireo amin’ny fitadiavana lalam-barotra. Hiezaka ny DRIC hanampy azy ireo sy nanentana amin’ny handraisany anjara amin’ny foara ho fampahafantarana ny vokatr’izy ireo.
?BOENY: Nisitraka fitsidihana fifanakalozana tany amin’ny distrikan’Ambatoboeny ireo solontena 15 avy amin’ny fikambanana tantsaha roa ao amin’ny Fokontany Bevomanga, kaominina ambanivohitra Anosinalainolona any amin’ny distrikan’i Marovoay. Roa andro, ny Alatsinainy 29 sy Talata 30 Jolay 2024 lasa teo, no namangian’izy ireo ny kaoperativa mpanodina voankazo ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranofasika sy ny kaoperativa mpamboly Lojy ao amin’ny Fokontany Ankaraobato, kaominina ambonivohitra Ambatoboeny.
Natao izao fitsidihana fifanakalozana izao ho fifampizarana traik’efa hampandroso sy hampaharitra ny asa anaty operativa. Nanohana izany ny ONG CARE amin’ny alalan’ny TETIKASA MIANKO izay niarahana tamin’ny ekipan’ny DRIC Boeny.

Vous aimerez aussi...