Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Androy, Anosy sy Menabe

?ANDROY: Manodidina ny 35 ireo fitaovam-pandanjana vita fitsarana sy vato mizana miaraka aminy tao amin’ny distrikan’i Beloha. Nomena “vignette” ireo fitaovana voatsara sy voamarina ka nandalo fanamboarana avy amin’ny mpanamboatra nahazo fankatoavana. Mitohy hatrany moa ny fidinana ifotony ataon’ny mpiara-miasa eo anivon’ny DRICC Androy. Misy ny fanentanana amin’ny alalan’ny fiantsoana ny mpivarotra mpampiasa izany ka hitondrana azy eo amin’ny tompon’andraikitra ho tsaraina.

?ANOSY: Nidina teny amin’ny kaominina Soanierana ny avy amin’ny DRICC Anosy ny Alarobia 31 Mey 2023. Nisy ny fihaonana tamin’ny kaoperativa SAFIDY MIRAY Soanierana sy SAHANIFAHO misehatra amin’ny fiompiana tantely. Fotoana nahafahana nifampizara momba ny #Velirano 7 amin’ny politikam-panjakana amin’ny alalan’ny ODOF sy nihainoana ny olana sedrain’izy ireo amin’izany seha-pihariana tantely izany.

?MENABE: Ho tanterahina any amin’ny renivohi-paritr’i Menabe ny SAFER 2023 ( Hetsika hampifandraisana ireo mpisehatra ara-bola sy ara-toekarena any amin’ny faritra Menabe) ny 21 – 22 Jolay ho avy izao. Natao ho fanampiana ireo kaoperativan’ny tantsaha mpamokatra hahafantatra ary hiditra amin’ny Tolotra avy amin’ireo mpisehatra ara-bola toa ny banky, « microfinance » ary ny trano fiantohana izay ilain’izy ireo amin’ny fampivoarana ny asany. Ho sehatra iray, ampahafantaran’izy ireo ny vokatra izay ananany.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...