Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Anosy, Bongolava sy Vakinankaratra

Manakaiky ny mpanjifa, mitsirika ny fitaovam-pandanjana ampiasain’ny mpivarotra ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritra.

Manakaiky ny mpanjifa, mitsirika ny fitaovam-pandanjana ampiasain’ny mpivarotra ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritra
?ANOSY: Nanatanteraka hetsika fitsarana fitaovam-pandanjana sy mizàna tao amin’ny distrikan’Amboasary ny ekipan’ny Sampandraharaham-paritra momba ny varotra (SRC-Anosy) ny 16 ka hatramin’ny 19 Aogositra 2023. 32 ny fitaovam-pandanjana nandalo fitsarana ka ny 31 mizàna Roberval, ny 1 mizàna bascule. 9 tamin’ny ireo no lany ary 23 tsy maintsy namboarina.
?BONGOLAVA: 16 ireo mizàna nogiazana tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambalanirana, sahabo ho 60km miala an’i Tsiroanomandidy. Tsy nisy kosa ny entana lany daty. Nanara-maso ny entana lany daty sy mizàna tsy voamarina sady nanentana amin’ny fanajana ny Lalàna mifehy ny varotra tany an-toerana ny avy amin’ny DRICC tamin’iny herinandro lasa iny.
?VAKINANKARATRA: Taorianan’ny Distrikan’Antsirabe II dia ny Kaominina Behenjy ao amin’ny Distrikan’Ambatolampy indray no nanatanterahan’ny DRICC Vakinankaratra ny fanaraha-maso sy fitsirihana ifotony ireo fitaovam-pandanjana ampiasain’ireo mpandraharaha ara-barotra. Nanomboka ny Alatsinainy 27 Aogositra izany ka hatramin’ny Zoma 01 Septambra 2023.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...