Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Anosy, sy Amoron’i Mania

?ATSIMO ATSINANANA: Nanatanteraka fitsirihana tany amin’ireo kaominina mamokatra jirofo ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Atsimo Atsinanana mba hijerena ny daty tokony hisokafan’ny taom-piotazana. Hita taratra tany an-toerana fa nitombo ny vokatra tamin’ity taona ity. Raha ny kalitao indray dia miandry herinandro eo ho eo dia efa afaka aroso ny fanokafana ny fiotazana. Nentanina hatrany ireo mpamboly sy mpandraharaha mba hanaraka ireo fepetra mahakasika ny lamina amin’ny seham-pihariana jirofo mba hananana kalitao tsara.
?ANOSY: Nidina nijery ifotony ny fivoaran’ny vidin’entana ilain’ny mponina andavanandro ao Tolagnaro ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) ny 15 Septambra 2023. Niara-dalana taminy tamin’izany ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny Mpanjifa ( ADECOA) ao Tolagnaro. Tsikaritra fa marin-toerana ny vidin’ny entana, nahitana fiakarana kely kosa ny vidin’ny vary nafarana.
?AMORON’I MANIA: Notanterahina ny Alakamisy 14 Septambra 2023 tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ilaka Centre any amin’ny Distrikan’Ambositra ny foaran’ny trondro izay nokarakarain’ireo mpiompy trondro. Ny tolakandro dia nisy laobary an-dasy. Nandraisan’ny DRICC Amoron’i Mania fitenenana ny mahakasika ny fitaovam-pandanjana sy ny manodidina izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...