IHOROMBE: Miara-mientana miahy ny traboina ny tompon’andraiki-panjakana sy mpandraharaha

 

-Voin-kava mahatratra : Nandray anjara tamin’ny fivorian’ireo mpikambana ao anatin’ny CRGRC (Comité Régional de Gestion des Risques et Catastrophes) ny Talem-paritra (DRICC) Ihorombe omaly Alatsinainy 07 febroary. Nitarika izany ny Governora sy ny Préfet ao Ihosy. Niara-nisalahy ireo solontenam-panjakana tany an-toerana nijery vahaolana haingana ho an’ireo niharam-boina miisa 153 vokatry ny rivo-doza. Nisy ny tolo-tanana voin-kava mahatratra avy amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena tany amin’ny Faritra Ihorombe hanampiana ireo mpiray tanindrazana ireo.

 

-Vidin’entana : Nitohy ny Alatsinainy 07 febroary 2022 ny fanaraha-maso ara-barotra teo amin’ny tsena rehetra ao amin’ny Tanànan’Ihosy. Mbola marin-toerana avokoa ny vidin’ny entana ilaina andavanandro ho fitsinjovana ireo mponina. Ary betsaka ny tahiry ao an-toerana ahafahana mamaly ny filàn’ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...