Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Bongolava sy Atsimo Andrefana

?ATSIMO ATSINANANA: Notanterahina ny Alarobia 24 Mey 2023 ny fivoriana voalohany hametrahana ny komity hanara-maso ny fisian’ny ioda sy fliora amin’ny sira. Ahitana solontena 5 avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamana sy solontena 2 avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana io komity io. Mbola hisy moa fivorian’ny mpikambana izay handrafetana ny drafitr’asa mba hisian’ny tombontsoa mivaingana amin’ny lafiny ara-kalitao fa indrindra ny lafiny ara-pahasalamana amin’ny fampiasana sira misy ioda sy fliora.

?BONGOLAVA: Natolotry ny DRICC Bongolava sy ny solontenam-panjakana any amin’ny Faritra omaly Alakamisy 25 Mey 2023 ny fanamarinam-piraketana ho an’ireo tompom-posy mivondrona anatin’ny kaoperativa KCPM na Kaoperativa Cyclo-Pousse Miray ao Tsiroanomandidy. Nialohavan’ny fampiofanana ireo mpivoy posy ho fanatsarana ny fandraharahan’ny kaoperativa izany fotoana izany.

?ATSIMO ANDREFANA: Nanome fe-potoana herinandro ny DRICC hitondran’ireo mpivarotra eny an-tsena rehetra ao Toliara ny mizana sy ny vatomizana ampiasain’izy ireo ho tsaraina. Eny amin’ny Fitaleavam-paritry ny varotra moa no hanaovana ny fitsarana ireo fitaovam-pandanjana ireo. Notanterahina omaly ny fanentanana mba hirosoana aminy fisavana ireo zay tsy manara-dalàna rehefa tapitra ny fe-potoana herinandro.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...