Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Atsinanana, Boeny sy Vakinankaratra

Midina manara-maso ny fitaovam-pandanjana sy mitsara izany ny avy amin’ny Sampana misahana ny refy sy lanja eny anivon’ny Fitaleavam-paritra (DRICC)

?ATSINANANA: Mizana 40 no tsy maintsy nogiazina tao amin’ny tsenan’ny bazary kely ao Toamasina. Nanao fidinana tsy nisy fampiomanana teny an-toerana ny avy amin’ny Sampandraharaham-paritry ny Varotra ao amin’ny DRICC Atsinanana, niaraka tamin’ny talen’ny tsena eo anivon’ny CUT sy ny mpitandro filaminana ny Alarobia 10 Mey 2023. Tanjona ny fampanarahan-dalàna ireo mpivarotra indrindra ireo mpampiasa vato mizana mba ho fitsinjovana ny mpanjifa.

?BOENY: Miavaka ny fitaovam-pandanjana ampiasaina ao amin’ny toerana famonoana omby hamidy eny amin’ny tsena ao Mahajanga. Anisan’izany ny « kiranga » miisa 12. Efa an-taonany maro no tsy nandalo fitsarana teo anivon’ny Sampana misahana ny refy sy lanja ao Mahajanga ireny fitaovam-pandajana ireny. Nandritra ny fidinana teny an-toerana niarahana tamin’ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny Talata 9 Mey 2023 no nanentanana ireo tompony hitondra ny fitaovana ho tsaraina. Efa nisy ireo tonga nitondra ireo “kiranga” ho tsaraina.

?VAKINANKARATRA: Nanatanteraka fitsarana ireo fitaovam- pandanjana rehetra ampiasain’ny Orinasa LMMI Andranomanelatra ny Sampana misahana ny refy sy lanja eo anivon’ny DRICC Vakinankaratra ny Alarobia 10 Mey 2023. Manomboka ny Alatsinainy 15 Mey 2023 ho avy izao moa dia hanomboka ny fitsarana mizana manakaiky vahoaka any amin’ny Distrika Antsirabe II.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...