Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Betsiboka, Vakinankaratra sy Androy

?BETSIBOKA: Fanentanana momba ny fananganana kaoperativa sy resaka momba ny indostria no natao tao Antanimbary ny 3 Mey 2023. Olona 45 no tonga namaly ny fiantsoana ka tao ny mpamboly, mpiompy ary mpivarotra. Hita tamin’izany fa tena liana tokoa ireo olona tonga satria maro ny fanontaniana sy ny fangatahanan’izy ireo toy ny fanofanana amin’ny seha-pihariana izay ho safidian’izy ireo, ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny fikarakarana ireo taratasy fangatahana fanampiana amin’ireo Tetik’asa samihafa.

?VAKINANKARATRA: Notolorana mari-pankasitrahana ireo rafitra mpanofana miisa 8 eny anivon’ny orinasa ny 5 Mey 2023. Fiaraha-miasan’ny fandaharan’asa “Better work” sy ny « Tahiry malagasy momba ny fanofanana araka asa » (FMFP) moa no nahatanteraka izao fahazoana fanamarinana izao. Nanotrona ny solontena avy amin’ny OIT, FMFP sy ireo tompon’andraikitra maro.
?ANDROY: Kaoperativa 2 no tafatsangana ara-dalàna dia ny kaoperativa MIARADIA ao amin’ny distrikan’i Beloha sy ny kaoperativa Union Vehivavy MIARADIA ao amin’ny distrikan’Ambovombe. Samy misehatra amin’ny fambolena voamaina sy fiompiana akoho ary ny jono izy ireo. Nialohavan’ny fanentanana avy amin’ny iraka avy amin’ny Minisitera sy DRICC ka niarahana tamin’ny solontenan’ny Tetikasa Maharo izay miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka CRS izany.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...