FANOHANANA NY SEHATR’ASAN’NY MPANAO ASATANANA

Nohon’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny UNFPA, ny Fikambanana Fitia ary ny MICA dia tontosa anio ny fitokanana ny ivon-toeram-pamokarana asatanana “Har’Kanto” tetsy amin’ny CENAM Andavamamba izay notolorana manokana ho an’ny seha-pihariana oditra (vannerie) sy tanimanga (poterie). Tafiditra indrindra ao anatin’ny fampivoarana ny asa manodidina ny asatanana ary ny fampahaizan’asa eo amin’ny mpanao asatanana ny fisian’ity ivon-toeram-pamokarana ity. Fotoana iray ihany nahafahan’ny Vadin’ny Filoham-pirenena Rtoa Mialy Rajoelina nanolotra fampitaovana ho an’ireo vehivavy manao asatanana izay manatanteraka fiofanana momban’ny fanaovana mofo amin’izao fotoana izao.
Nanamafy Rtoa Minisitry ny MICA fa ny fisian’ity ivon-toeram-pamokarana ity dia ahafahan’ireo mpanao asatanana manome vokatra manaraka ny kalitao takian’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Ny MICA dia manohana hatrany ireo mpanao asatanana mba hahaleo tena tanteraka izy ireo amin’ny sehatr’asa sahanin’izy ireo tsirairay avy.

Vous aimerez aussi...