Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Ihorombe, Amoron’i Mania sy Atsimo Atsinanana

?IHOROMBE: Efa manomana ny Drafitr’asa ho tanterahina mandritra ny taona 2024 (PTA 2024) ny ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Ihorombe. Nanatanteraka Fivoriam-be ara-potoana nandinihana izany sy lohahevitra hafa koa ny mpikambana maharitra ny Alarobia 22 Novambra 2023. Natao ny tatitry ny asa vita nanomboka ny Janoary 2023 sy ny fandaniana ny vinavinan-tetibola hampandehanan-draharaha amin’ny taona ho avy. Nanatrika ny Fivoriam-be ireo solontenan’ny Minisitera mpiahy ara-teknika sy ara-bola.
?AMORON’I MANIA: Kaoperativa 4 no tafatsangana sy nahazo fiofanana momba ny fitondrana sy fitantanam-bolan’ny kaoperativa tao amin’ny biraon’ny DRICC tamin’ny herinandro lasa. Notolorana Fanamarinam-piraketana izy ireo tamin’izany. Samy misehatra amin’ny asa tanana avokoa ireo kaoperativa ireo dia ny Kaoperativa A&H (KA&H), Kaoperativa SAROBIDY (KOSA), Kaoperativa FANASINA (KOFA), Kaoperativa MIFARIMBONA(KOMI).
?ATSIMO ATSINANANA: Antonony ny vokatra letisia any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana satria tsy tonga firy ny rotsak’orana ilain’ny letisia. Nisokatra ny Alatsinainy 20 Novambra 2023 ny taom-piotazana letisia any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana araka ny Didim-pitondrana navoakan’ny Governora.
Source: DRICC

Vous aimerez aussi...