Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Ihorombe, Vakinankaratra sy Menabe: misy fidinany ny vidin’ny vary vokatra eto an-toerana

?IHOROMBE : Midina ny vidin’ny vary gasy zanatany raha miohatra amin’ny tamin’ny herinandro lasa. 600 Ar – 750 Ar/kapoaka izany araka ny fitsirihana natao teny amin’ny mpivarotra ao an-tanànan’Ihosy omaly Alarobia 12 Aprily 2023. Amidy 650 Ar/kapoaka kosa ny vary nafarana. Marin-toerana ny vidin’ny siramamy, lafarinina ary menaka.

?VAKINANKARATRA : Efa ahitana fidinany ny vidin’ny vary vokatra eto an-toerana satria efa misy 2200 Ar/kg izany amin’izao fotoana izao. Nanara- maso sy nijery ireo vidin’entana sy ireo tahirin’entana ny ekipan’ny DRICC ny 11 Aprily 2023.

?MENABE : Marin-toerana ny vidin’ny PPN any amin’ny Faritra Menabe. 105000 Ar ny gonim-bary eny amin’ny mpamongady raha toa ka 98 000 Ar eny anivon’ny tsenam-bokatra na “marché de collecte”. Tsy misy fiovany ny vidin’ny menaka (125000 Ar ny bidao), ny siramamy (Ambilobe 205000 Ar/ lasaka, Namakia 218000 Ar/lasaka) ary ny lafarinina (152000 Ar/gony).

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...