Fanjifana: hankalazaina ny 15 Marsa izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC)

Ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Antaninarenina no hanamarihana ny JMDC amin’ny Talata ho avy izao. « Ny fanambin’ny zon’ny mpanjifa manoloana ny fizorana any amin’ny nomerika » no lohahevitra amin’ity taona ity.
Hetsika mandritra ny tontolo andro no ho karakarain’ny MICC miaraka amin’ny fikambanan’ny mpanjifa izay miara-miasa akaiky amin’ny DPC (Fitaleavana Miaro ny Mpanjifa) ho an’ny tombon-tsoan’ny mpanjifa.
Mizara roa ny fankalazana. Ny tapakandro maraina dia hisy ny fifanakalozana manodidina ny lohahevitra sy ny fiantraikan’ny nomerika amin’ny mpanjifa. Handray anjara amin’izany ny ARTEC (Manamahefa mifehy ny Teknolojian’ny Sera sera) sy ny CSBF (Vaomiera Mpanara-maso ny Banky sy ny Vola).
Ny folakandro kosa dia hisy fanentanana mahakasika ny fitandremana ny kalitao eny anivon’ny tsena.

Vous aimerez aussi...