Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Itasy, Boeny ary Amoron’i Mania

vaovao_misongadina_amoron_mania
Dodona amin’ny fidirana anaty Orinasa kaoperativa ireo vondron’olona mitovy seha-pihariana
?ITASY: Nivondrona anaty kaoperativa ny mpitatitra amin’ny Tuc Tuc ao Analavory sy Taxi moto mampitohy ny labatoara sy ny kaominina Ambatomanjaka. Tafatsangana ara-dalàna, araka izany, ny orinasa kaoperativa KINGA PLUS (Tuc Tuc) sy ny MIAVOTRA T.M (Taxi moto) any amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Resy lahatra amin’ny orinasa kaoperativa ho fampivoarana ny fandraharana ataony ireto mpitatitra ireto ka nanatona ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Itasy izay nanome fampiofanana mialoha ny fanolorana ny fanamarinam-piraketana
?BOENY: Nentanina hiditra anaty kaoperativa ny Vondron’Olona Ifotony (VOI). Ny 16 Jolay 2024 tao Belalitra kaominina no nanatanterahan’ny ekipan’ny DRIC Boeny izany izay niarahany tamin’ny Tetik’asa GIZ mpamantsy F4F ( Forest 4 Future). Nitohy tany Tsaramandroso ny fanentanana io. Ny 17 Jolay indray dia ny VOI misehatra amin’ny rojo-pihariana Manga ao amin’ny fokontany Antananivony sy Andranomandevy kaominina Tsaramandroso no nisitraka izany.
?AMORON’I MANIA: Kaoperativa misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana antsoina hoe Kaoperativa Fiarahamonina Maintso Axe RN7 (KOP FMA RN7) indray no nomena fiofanana ny Alarobia 17 Jolay 2024. Nampafantarina azy ireo ny fisian’ny Lalàna vaovao mifehy ny Orinasa kaoperativa sy ny tsara ho fantatra mahakasika io lalàna io, ankoatry ny fomba fitantanana sy ny fomba fiaina ao anaty kaoperativa. Ahitana mpikambana 98 manamorona ny Lalam-pirenena RN7 ny kaoperativa.

Vous aimerez aussi...