Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Itasy, Ihorombe, Androy ary Alaotra Mangoro

Midina manatona ny mpivarotra eny ifotony ny mpitsara fitaovam-pandanjana sy fandrefesana avy amin’ny Fitalevam-paritry ny Varotra
?ITASY : Mitohy ny fitetezana kaominina hitsarana ireo mizàna ampiasain’ny mpivarotra. Tany amin’ny kaominina Arivonimamo, Imerintsiatosika ary Ambatomirahavavy no nanatanterahana izany tamin’ny herinandron’ny 15 Avrily 2024. Mizàna be miisa 139 sy mizàna kely 397 no nandalo fitsarana.
?IHOROMBE : Tao Ihosy sy ny manodidina dia mpivarotra 194 no nitsara ny mizanany ary 13 nitsara metatra tamin’ny Talata 16 Avrily 2024. Ny 91 tamin’ireo mizàna ireo no nanara-dalàna. Tsy lany tamin’ny fitsarana kosa ny mizàna Bascule 22 isa sy Roberval 81. Mbola hitohy any kaominina Ranohira sy Ilakaka izany hetsika izany amin’ity herinandro ity.
?ANDROY: Mizana 52 no nomena taratasy fanamarinana fa ara-dalàna rehefa nandalo fitsarana sy fanamboarana. Tao amin’ny distrikan’i Bekily any amin’ny faritra Androy ireo mizana ireo. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ho fiarovana ny mpanjifa amin’ny mety ho fanararaotana.
?ALAOTRA MANGORO: Nanatanteraka fitsaràna faobe sy fanamboarana fitaovam-pandanjàna ny tany Ambatondrazaka ny Alakamisy 18 sy Zoma 19 Avrily 2024 lasa teo. Maro ireo tonga mpandraharaha ara-barotra namaly ny antso izay nalefa tamin’ny alalan’ny fametahana peta-drindrina, fanaovana filazàna tamin’ny onjam-peo ary fandefasana fiantsoana manokana.

Vous aimerez aussi...