Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Itasy, Menabe ary Bongolava

?ITASY: Nararaotin’ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy ny Foara FIOMBONANA tao amin’ny kaominina Ampahimanga Arivonimamo ny Sabotsy 27 Jolay 2024 nanentanana amin’ny fivondronana anaty orinasa kaoperativa. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa hirosoan’ireo mpiompy trondro amin’ny maha-matihanina sy misehatra amin’ny asa fandraharahana ny DRIC. Vonona koa amin’ny fanomezana fiofanana ho fanamafisana ny traikefan’ny mpiompy trondro.
?MENABE: Nidina tany Morondava ireo mpikambana eo anivon´ny Komitim-paritry ny Sira ny Alatsinainy 22 Jolay 2024. Foto-dian’izy ireo ny fijerena ny fanasiana ioda sy fluor an’ireo vokatra sira ao anatin’ny faritra Menabe. Nisy ny fifanakolozan-kevitra niaraka tamin´ny Talem-paritra (DRIC) izay mpikambana ao amin´ny Komitim-paritra rahateo. Narahina fitsidihana ireo orinasa mpamokatra sira any Belo/mer sy Ampataka izany.
?BONGOLAVA: Miomana amin’ny fandraisana ny Foaram-paritra momba ny indostrian’ny fambolena hanomboka rahampitso Alakamisy 1 Aogositra 2024 any Tsiroanomandidy ny any an-toerana. Nisy omaly ny tafa tamin’ireo parlemantera, governoran’ny faritra, prefen’i Tsiroanomandidy, ny OMC sy tompon’andraiki-panjakana samihafa nametrahana ny fandaminana. Nentanina koa ireo mponina hanotrona sy hiaina ny Foarabe.
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...