Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Melaky sy Itasy ary Vakinankaratra

Vaovao-misongadina

?Melaky : Tonga ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Bekopaka, Distrikan’Antsalova ny milina fanodinana tantely ny Zoma 10 Mey 2024 lasa teo. Velom-panantenana avokoa ireo fiombonan’ny kaoperativa mpiompy tantely ao an-toerana satria hiodina ara-dalàna ny vokatr’izy ireo. Nanatrika ny fahatongavan’ity milina indostrialy ity moa ny Ben’ny Tànana ao Bekopaka.
?Itasy : Natoron’ny ekipan’ny DRIC Itasy ny mpianatra ao amin’ny Lisea teknika Miarinarivo ny paikady sy ny fanalahidin’ny fandraharahana eo amin’ny tanora hananana asa mendrika rehefa tonga ny fotoana hidirana eo amin’ny sehatry ny asa. Mpianatra miisa 80 mianadahy ao amin’ny kilasy famaranana no nisitraka ity fampahafantarana nataon’ny DRIC ity. Manaraka ny lalam-piofanana ara-teknika momba ny fambolena sy ny fiompiana ireto mpianatra ireto ary navitrika tokoa nandritra ny fanentanana natao tamin’io andron’ny zoma io. Hitohy ny fiaraha-miasan’ny DRIC Itasy eo amin’ny oniversite sy ny sekoly ao anatin’ny faritra ho fanampiana ireo tanora dieny any amin’ny lisea hampandrosoana ny ara-toekarena eny ifotony.
?Vakinankaratra : Nozarain’ny ekipan’ny DRIC Vakinankaratra ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny kaoperativa miisa fito ny mikasika ny lalàna nohavaozina laharana 2023-016 tamin’ny 16 aogositra 2023 mifehy ny orinasa kaoperativa eto Madagasikara. Roa andro nisesy no nampahafantarana ireo kaoperativa tantsaha tao Antsirabe ireo ny andinidininy mikasika ity lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa ity. Fiaraha-miasan’ny DRIC sy ny tetikasa Brecoma moa ny fanatanterahana ny fampiofanana natao tao an-toerana tamin’ny herinandro lasa iny.

Vous aimerez aussi...