Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Vakinakaratra, Bongolava

?VAKINANKARATRA: Niara-nidinika momba ny famatsiana akora fototra ny Taninketsa Indostrialy fanodinana ovy ho chips ao Betafo ireo kaoperativa samihafa mpikambana ao amin’ny Vovonana “Plateforme Pomme de terre” ny. Nanatrika izany ny DRIC Vakinankaratra sy ny Ben’ny Tanànan’Alakamisy Anativato ary ny Filohan’ny Vovonana. Nisy ny soso-kevitra nivoaka ny amin’ny hamatsiana masomboly tsara kalitao ireo kaoperativa mpamboly mba hitsinjovana ny kalitaon’ny vokatra ovy.
?BONGOLAVA: Niara-niasa nanao tombana ireo kaoperativa notohanany ny DRIC Bongolava sy ny Tetik’asa PAPRIZ ny omaly 05 Marsa 2024 tao Ankadinondry-Sakay. Ny Kaoperativa Miotisoa, ny Kaoperativa Mihary ary ny Kaoperativa Lovainjafy izay samy mpamokatra vary sy masomboly ao Ambalanirana sy Ankadinondry-Sakay ireo kaoperativa ireo. Notohanana tamin’ny fampiofanana sy fitaovana ary fivelarana amin’ny tsenam-barotra izy ireo.

Vous aimerez aussi...