Varotra anatiny: hahatratra 63 000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin’ity taona 2023 ity

Nanomboka ny 02 Jona lasa teo ny fisokafan’ny taom-pamokarana siramamy teo anivon’ny orinasa SUCOMA Ambilobe ka ny 05 Jona no nanomboka ny fivarotana izany amin’ireo mpamongady manerana ny Nosy.

Araka ny vinavina dia hahatratra 63.000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin’ity taona 2023 ity ankoatra ny siramamy Namakia izay anisan’ny mamaha ny antsasa-manilan’ny filan’ny mponina amin’ny ankapobeny ary jifain’ireo mpamongady amin’ny vidiny 172.000 Ar/kitapo.

Nidina ifotony nanara-maso izany ny Ministera misahana ny varotra izay nahitana ny Talen’ny varotra anatiny (DCI) sy ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (DRICC) any amin’ny faritra DIANA. Hisy araka izany ny fanaraha-maso akaiky ny fitsinjarana izany mba ialàna amin’ny mety ho fanararaotana. Ampanarahana tsara ihany koa ny lalan’ny fitsinjarana na ny « circuit de distribution » izany mba iarovana ny mpanjifa.

Sary DCI

Vous aimerez aussi...