Varotra anatiny: hahena sy hamaivanina ny fanelanelanana eo amin´ny fandraharahana vary avy any Imeritsiatosika

Nidina teny ifotony ny delegasion’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana notarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany 01 aprily 2023. Natomboka teny Imerintsiatosika, izay ivon’ny fanodinana vary lehibe indrindra eto Madagasikara, ny hetsika fandrindrana ara-barotra eo amin’ny vary. Araka izany dia hatao ny famerana ny lalan’ny fitsinjarana ny vary vokatra eto an-toerana vao miainga eny amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpitoto vary makaty Antananarivo. Niezaka hoy ny Minisitra, ny Fanjakana tsy hametra mihitsy ny vidin’ny vary vokatra eto an-toerana satria tsy azo atao ny mahafaty antoka ny tantsaha. Miara-miasa amin’ny Fanjakana hatrany ny orinasa SPM mikasika ny fitsinjarana izany vary izany hamatsiana ny tsena eto Antananarivo. Noho izany, misy ireo mpamongady izay haka ny vary fotsy eny ifotony any Imerintsiatosaka ka avy hatrany dia vidin’ny orinasa SPM izany ka ho tsinjaraina mivantana eny amin’ny mpaninjara ho tombontsoan’ny mpanjifa. Nambaran’ny Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Vondrona MANOVA- tantsaha mpamboly,Clément Razafiarison, fa manodidina ny 1500ar ny kilaon’ny vary akotry miainga avy eny amin’ny tantsaha mpamboly ahafahan’izy ireo mivelona sy mampiroborobo ny voly vary ataon’izy ireo. Araka izany dia tsy tokony hihoatra ny 2900Ar ny vidin’ny vary fotsy vokatra eto an-toerana. Nak avy hatrany ireo vary mitentina 25T ny orinasa SPM ka hamatsy ireo mpaninjara. Mandritra ity volana aprily ity dia hezahana ny hitsinjaran’ny SPM vary vokatra eto an-toerana manodidina ny 60 hatramin’ny 100T isan-kerinandro ka hividy izany eny anivon’ireo mpamongady ary hitsinjara izany eny amin’ny mpaninjara. Marihana fa mamoaka vary hatramin’ny 150T isan’andro ny tananan’Imerintsiatosika.

Hanara-maso akaiky izany lalan’ny fitsinjarana izany ny Fitaleavam-paritra misahana ny Varotra eo amin’ny faritra Itasy (DRICC) araka izany miaraka amin’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Varotra (DGCC). Naneho ny fahavononany ny vondron’ireo tantsaha mpamboly ny hifanome tanana sy hiara-hiasa hatrany ho tombontsoan’ny rehetra ary hampandroso hatrany ny seha-pihariana famokarana vary eto an-toerana.

 

Vous aimerez aussi...