Varotra ivelany

Fanoitra ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny firenena ary hita taratra eo amin’ny harin-karena ny varo-draharaha.

Tanterahana etsy amin’ny Colbert Antaninarenina nanomboka omaly Alakamisy 11 jolay 2024 ny atrik’asa fankatoavana ara-teknika ny lisitry ny Sehatra servisy ho ekena hampiharana fanalalahana ara-barotra ho an’i Madagasikara.
Dingana iray ao anatin’ny fakan-kevitra nasionaly mikasika ny varo-draharaha ny fankatoavana ara-teknika. Tao aorian’ny atrik’asa fampahafatarana voalohany natao ny volana febroary lasa teo dia nitety ireo mpiara-miombona antoka rehetra toy ny departemanta sy tompon’andraiki-panjakana ary sehatra tsy miankina miisa 30, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Tontosa tamin’izany ny ezaka fakan-kevitra ary ny fikaonan-doha nananganana ny lisitra isaky ny seha-draharaha. Mandray anjara amin’ity atrik’asa fampiofanana sy fakan-kevitra ity ny solontena avy amin’ireo seha-pihariana eo amin’ny varo-draharaha maro samihafa avy amin’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Ity atrik’asa mandritra ny roa andro ity dia natao handinihana, hanatsarana sy handaniana ireo lisitra ireo mba tena ho lisitra hitondra tombontsoa ara-toekarena ho an’ny firenena no hivoaka isaky ny seha-pihariana momba ny servisy.
Aorian’izao dia mbola hisy ny atrik’asa fampahafantarana ny lisitra farany mialoha ny hampitana izany amin’ny fomba ofisialy any amin’ny Vondrona Eoropeana amin’ny faran’ity volana jolay ity. Ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Ivelany (DCE) no misolotena ny MIC mandritra ny atrik’asa.

Vous aimerez aussi...