Varotra servisy: iadian-kevitra ny ahafahan’ny malagasy misitraka asa any amin’ny tany mpikambana ao amin’ny SADC

Nanaovana fivoriana ny mikasika ny fifanarahana momba ny fankatoavan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC (Tsena iombonana ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo) ny diplaoma sy traikefa mba ahafahan’ny mpiasa malagasy miasa ao anatin’ny faritra SADC. Fihaonana niarahan’ny Minisitera misahana ny Varotra (MICC) sy ny SADC nikarakaraka tetsy amin’ny Carlton Anosy ny 3 sy 4 Oktobra 2023.

Nandray anjara tamin’izany ireo holafitra isan-tsokajiny eto Madagasikara toy ny Holafitry ny dokotera, Holafitry ny dokoteram-biby, ny mpanao mari-trano, ny Holafitry ny mpampivelona… Niady hevitra tao koa ny avy amin’ny Rafi-panjakana misahana ny fankatoavana ny mari-pahaizana toy ny ao amin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fitsarana, ny Fanabeazam-pirenena.
Mbola tsy ao anaty fifanarahana isika malagasy na dia efa nanao sonia aza. Raha tafiditra ao anatin’io fifanarahana io isika dia afaka misitraka asa ao anatin’ny faritry ny SADC ireo Holafitra ireo sy ny hafa rehetra koa. Hitohy ny ady hevitra hitadiavana izay mahasoa ny mpiasa malagasy.
Sary DCE

Vous aimerez aussi...