Varotra sy fanjifana

Hanokana toerana hametrahana ireo vokatra voaodina avy amin’ny Taninketsa Indostrialy ny mpandraharaha ara-barotra sy ireo toeram-pivarotana lehibe
Hiara-hiasa amin’ny MICC amin’ny fijerena lalam-barotra maharitra hanohanana ireo tantsaha mpamokatra eny anivon’ny Taninketsa Indostrialy ireo mpandraharaha matihanina sy ireo toeram-pivarotana lehibe. Tanjona iraisana ny fanohanana ireo tantsaha eny ifotony sy hampisy karazam-bokatra hosafidian’ny mpanjifa eto Madagasikara.
Nisy omaly Zoma 7 Jona 2023 ny fanentanana ireo mpandraharaha sy toeram-pivarotana lehibe ireo tetsy Ambohidahy. Nifanome tanana tamin’izany ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny (DCI) ary ny Manamahefa-pirenena misahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC).
Nanolotra hevitra vitsivitsy ireo mpandraharaha hahalavorary ny fiaraha-miasa amin’ny Taninketsa Indostrialy toy ny fitohizan’ny famatsiana ny tsena tsy hisy fahatapahany, ny fitazonana foana ny kalitaon’ny vokatra atolotra ho an’ny mpanjifa, ny fametrahana vidiny afaka mifaninana amin’ny vokatra hafa.
Hisy ihany koa ny fifanakalozana miaraka amin’ireo tantsaha sy kaoperativa misehatra eny amin’ny Taninketsa Indostrialy.
Efa manodidina ny 25 ankehitriny ireo Taninketsa Indostrialy efa tafapetraka. Ahitana milina fanodinana tantely, fanodinana voanjo ho lasa menaka, fanodinana kafe, ronono ho lasa fromazy, voatabia, ny paoma hahazoana « cidre », ny ovy ho lasa chips…

Vous aimerez aussi...