Vokatra fanondrana

Hiara-hientana hiaro ny kalitaon’ny jirofo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny mpisehatra rehetra voakasika.
Hisy ny fanentanana ireo mpamboly jirofo amin’ny fanarahana ny toro-marika hahazoana jirofo maina tsara sy tsy mifangaro. Harahina maso akaiky koa ireo mpanangom-bokatra amin’ny kalitao izay takian’ny tsena iraisam-pirenena.
Anisan’ny nivoitra ireo tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny Tompon’andraiki-panjakana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny jirofo tany amin’ny Distrikan’i Vangaindrano ny Sabotsy 18 Novambra 2023. Niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy ny mpiara-miasa aminy moa ny Talem-paritra (DRICC) tamin’ity fidinana ifotony nijerena ny momba ny jirofo ity.
Niara-niaiky ny rehetra fa tsara ny vidin’ny jirofo tamin’ity taona ity satria dia avo roa heny mihoatra ny tamin’ny taon-dasa. Nentanina, araka izany, ny mpisehatra mba samy havitrika amin’ny fandoavana “ristourne”.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...